John 9

1Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatramin’izy vao teraka. 2Nanontany Azy ireo ny mpianany hoe: “Raby, iza re no nanota, io lehilahy io sa ireo ray aman-dreniny, no dia teraka jamba tahaka izao izy?”

3Jesosy namaly hoe: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa natao izao mba hanehoana aminy ny asan’Andriamanitra. 4Tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy isika raha mbola mazava. Fa ho avy ny alina izay tsy afahan’iza na iza miasa intsony. 5Raha mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, dia Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.”

6Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nandrora tamin’ny tany, ary nanao feta tamin’ilay rora, ka nanosotra ny fotaka tamin’ny mason’ilay lehilahy. 7Hoy Izy taminy hoe: “Mandehana, sasao eny amin’ny ranon’ny Siloama (izay adika hoe: nirahina) ny masonao.” Ka lasa ralehilahy, nanasa izany, ary niverina nahiratra.

8Ary nifampanontany ireo olona mpiray vody rindrina tamin-dralehilahy sy ireo izay nahita azy nangataka taloha nanao hoe: “Tsy ity ve ilay lehilahy nipetraka nangataka teto?” 9Ny sasany nanao hoe: “Izy io.” Ary ny hafa nilaza hoe: “Tsia, fa mitovy aminy ihany izy.” Fa izy kosa nanao hoe: “Izaho ity.”

10Hoy izy ireo taminy hoe: “Koa ahoana ary no nahiratan’ny masonao?” 11Namaly izy hoe: “Ilay lehilahy antsoina hoe Jesosy no nanao feta ary nonosotra izany tamin’ny masoko ka niteny tamiko hoe: ‘Mandehana any Siloama ary sasao ny masonao.’ Dia nandeha aho ary nanasa izany, ka nahiratra.” 12Hoy izy ireo taminy hoe: “Aiza Izy?” Dia novaliany hoe: “Tsy fantatro.”

13Nentin’izy ireo teo amin’ny fariseo ilay lehilahy izay jamba taloha. 14Tamin’ny andro Sabata moa no nanaovan’i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny masony. 15Ary nanontany azy indray ireo Fariseo ny amin’ny fomba nahiratany. Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Nasiany feta ny masoko, nosasako, ka mahita aho izao.”

16Ny sasany tamin’ireo fariseo niteny hoe: “Tsy avy amin’Andriamanitra ity lehilahy ity satria tsy mba manaja ny andro Sabata.” Ny hafa nanao hoe: “Ahoana no afahan’ny olona mpanota manao famantarana lehibe tahaka izao?” Ka dia nisy fizarazarana teo amin’izy ireo. 17Ka dia niverina nanontany ilay lehilahy jamba indray izy ireo hoe: “Inona no hambaranao momba Azy, hatramin’ny nampahiratany ny masonao?” Hoy ilay lehilahy jamba hoe: “Mpaminany Izy.” 18Ary mbola tsy nino ny momba azy ihany ireo Jiosy hoe izy dia efa jamba ka nahiratra raha tsy niantso ny ray aman-drenin’ilay lehilahy nahiratra izy ireo.

19Nanontany ireo ray aman-dreny izy ireo hoe: “Ity ve ilay zanakareo izay lazainareo fa hoe teraka jamba? Koa ahoana ary no ahitany izao?” 20Ary dia novalian’ireo ray aman-deniny izy ireo hoe: “Fantatray fa zanakay io sady teraka jamba izy. 21Saingy ny amin’ny nahitany, tsy fantatray, ary izay nampahiratra ny masony, tsy fantatray. Anontanio azy, efa lehibe izy. Afaka milaza ho an’ny tenany izy.”

22Nilaza izany ireo ray aman-dreniny, satria natahotra ireo jiosy izy ireo. Satria efa nifanaiky ireo jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia ho roahina hiala ao amin’ny synagoga izy. 23Nohon’ny amin’izany, no nilazan’ireo ray aman-dreniny hoe: “Efa lehibe izy, izy no anontanio.”

24Ary niantso ilay lehilahy jamba taloha fanindroany indray izy ireo dia niteny taminy hoe: “Omeo voninahitra Andriamanitra. Fantatray fa mpanota izany lehilahy izany.” 25Avy eo dia namaly ilay lehilahy hoe:” Tsy fantatro aloha raha mpanota Izy. Ny hany fantatro dia izao: efa jamba aho taloha, fa ankehitriny aho mahita.”

26Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: “Fa inona no nataony taminao? Ahoana ny fomba nampahiratany ny masonao?” 27Dia namaly izy hoe: “Efa nambarako taminareo, fa tsy nihaino ianareo! Ka nahoana ianareo no te-hihaino izany indray? Te-ho isan’ny mpianany ihany koa ve ianareo, sa tsy izany? “ 28Naneso azy izy ireo ka niteny hoe: “Ianao no mpianany, fa izahay mpianatr’i Mosesy. 29Fantatray fa efa niresaka tamin’i Mosesy Andriamanitra, fa raha izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay nihaviany.”

30Dia namaly ilay lehilahy ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Mahagaga izany, tsy fantatrareo izay niaviany, kanefa nampahiratra ny masoko Izy. 31Fantatsika fa tsy mihaino ireo mpanota Andriamanitra, fa raha misy mazoto mivavaka sy manao ny sitrapony, dia mihaino azy Izy.

32Hatramin’ny niantombohan’izao tontolo izao dia tsy mbola re mihintsy hoe nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba. 33Koa raha tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona.” 34Ary dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: “Tena teraka tamin’ny ota ianao, dia ianao indray ve no hampianatra anay?” Avy eo dia noroahin’izy ireo hivoaka izy.

35Ren’i Jesosy fa noroahin’izy ireo tao amin’ny synagoga izy. Ary Izy nahita azy dia niteny hoe: “Mino ny Zanak’Olona ve ianao?” 36Namaly izy hoe: “Iza moa no Izy, Tompo, mba hinoako Azy?” 37Jesosy nanao taminy hoe: “Efa nahita Azy ianao, ary ilay iray izay miresaka aminao izao izany.” 38Hoy ilay lehilahy hoe: “Tompo, mino aho.” ary dia nidera Azy izy.

39Jesosy nilaza hoe: “Fa fitsarana no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao mba hahiratra ireo izay jamba ary mba ho tonga jamba ireo izay mahiratra.” 40Nandre izany ny sasany tamin’ireo Fariseo izay niaraka taminy ka nanontany Azy hoe: “Ary izahay ihany koa ve jamba?” Fa Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka, fa ianareo kosa ankehitriny milaza hoe: ‘Mahiratra izahay,’ dia mbola mitoetra ny helokareo.”

41

Copyright information for PltULB